4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sambatra - ROLF

Ireo nofinofy omeko anao
Ho valin'ny zava-tsoa
Azoko taminao
Fitiavana matotra
Tsy adalana intsony
Ho anao avokoa ny fiainako

Ny takatry ny saiko, ny heriko
Ho atambatro ho vato
Ato anatiko
Refa sambatra aho dia ho zaraiko
Aminao ny elatro
Hisidisidina isika roa
Eny an-danitro

Sambatra aho manana anao
Miankina tsisy tahotra
Sambatra tsy tavela
Mangingina
Ity fiainako nanantena
Olon-tsotra toy anao re
Olon-kafa tsy foiko atakalo
Ho an'iza n'iza
Ho avadiko reo pejy maizina rehetra
Ny tantarako

Ny voady sy ny toky tsy omeko
Ny ho tia anao mamndrakizay
Tsy ho teniko
Tsy ny resaka fa ny ataoko
No ho foiko ho anao re
Misy fetra ny zava-drehetra
Eto antaniko

Fa sambatra aho manana anao
Miankina tsisy tahotra
Sambatra tsy tavela
Mangingina
Ty fiainako nanantena
Olon-tsotra toy anao re
Olon-kafa tsy foiko atakalo
Ho an'iza n'iza
Ho avadiko reo pejy maizina rehetra
Ny tantarako





Partager sambatra

Commenter sambatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite