4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sambatra - Poopy

Sambatra ianao manome izay tsy manana

Sambatra ianao mahafoy ho an’ny tsy manana

Eny sambatra ianao mahay manome avy amin’ny fo madio

Tsy mba ao anatin’ny sainao

Ny hitana soa irery ho anao



Sambatra ianao tsy anisan’ireo tia tena

Sambatra ianao manampy izay mivena

Tena sambatra ianao fa ao aminao ny toetra tsara indrindra

Maniry ho toa anao ny maro aminay

Kanefa tsy tafita

          Ref/Izay omenao sy ampianao ho faly

               Fa toa mihamaivana ny jaly

               Ny endriny miramirana dia ampy hahafaly anao

               Fa aminao ny tena fahasambarana

               Dia ny manome mizara izay hananana

               Vitsy ny toa anao mahay manome am-pitiavana

Sambatra ianao mahay manetry tena

Sambatra ianao hanjakan’ny fandeferana

Tena sambatra ianao fa ao aminao ny toetra tsara indrindra

Maniry ho toa anao ny maro aminay

Kanefa tsy tafita

Izay omenao sy ampianao ho faly

Fa toa mihamaivana ny jaly

Nefa ampianao ny tsiky asetrin’izany

       Aminao ny tena fahasambarana

       Dia ny manome mizara izay hananana

       Ny endriny miramirana no valisoa lehibe indrindra  ho anao

Izay omenao sy ampianao faly

Fa toa mihamaivana ny jaly

Eny sambatra ianao mahay manome am-pitiavana!

Partager sambatra

Commenter sambatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite