4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sambatra - NARY ARTHUR

Rahoviana re no ho afaka ireo adin-tsaina

Ka tsy hanohy izany fahoriako

Rahoviana re no ho afaka ireo taraina

Ka ho soa indray izany diako

Mbola misy tanjona hafa zay tiako hotratrarina

Hampitony ireo fijaliana

Am’izay fotoana izay no hanolorako ny sandriko

Eo anilanao ry tiana

         Sambatra aho raha tojo izany        

         Fiadanana no ho ahy sy ho anao  



Na ho maizina avokoa izao tontolo rehetra izao

Ka ho foana izany faniriako

Na ho jamba avokoa reto masoko ankiroa

Ka tsy hahatazana anao ry tiako

Tarigetra zay kendreko noho ny voady zay nekeko

Dia hanjohy ny lalam-pahasambarana

Ka inoako sy ekeko fa ny tsikim-pahareseko

Dia hidify ary koa hifarana

         Sambatra aho raha tojo izany

         Fiadanana no ho ahy sy ho anao

Partager sambatra

Commenter sambatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NARY ARTHUR