4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sambatra (ny onjam-panahy - Ramarojaona Jean Bruno)

                

                             SAMBATRA





      Inona loatra no mampamiratra anao

      Ô ry volana ô, mba lazao

      Fa be mpitia ka ventsoiny isan’ora

      Ô ry volana ô, ambarao





                     Raha semban-drahona ianao

                     Maloka ny endrikao

                     Dia toy ny misy hery volana ô

                    Miaraka ory aminao izao rehetra izao

                    Volana ô izay feno misitery





     Ny resi-pitia dia miantso anao

     Ary mitalaho, volana ô

     Ny kamaboty mijaly dia miangavy aminao

     Ho sambatra toa anao, volana ô

Partager sambatra (ny onjam-panahy

Commenter sambatra (ny onjam-panahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ramarojaona Jean Bruno)