4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sambo fiara - STK Anosivavaka

SAMBO FIARA



Izay feo izay e! no manambara

Fa hiainga izao! Ilay Sambo Fiara

Aza be kenina Ianao Sao dia tara ô!ô!

( ry Mpanota ô! ô! ô!)

tsy misy akory ny vola aloha

ny pasipaoro dia ran’i Jesoa

tsisy avakavaka fa mandrosoa ô! ô!

(ry mpanota ô! ô! )

Aza variana manangona ianao

ny entambe tsy ho tafiditra ao

efa voahomana izay ho anao ô! ô!

(ry mpanota ô! ô! )

Ny Sambofiara tsy impiry Handalo

Indray mandeha ihany re ka fantaro

hiainga isika ny tongotra akaro ô! ô!

(Hiainga isika ô! ô! )



    ref: roso ny dia amin’ny Sambofoara ô! ô!

           ô! ô! ô! ô! roso tokoa ô!

           Indro fa tazana ery ilay Zoara ô!ô!

           ôôôô ho tsenain’i Jesoa ô!

           ny olomboavonjy mikopa-mosoara ô! ô!

           ô! ô! ô! ô! tena marina moa ô!

           tongava soa e! tongava tsara a!



Ianao izay tafiditra henoy tsara

ny loha aza avoaka ivelan’ny fiara

mamoaka tanana koa voarara ô! ô!

( ka tandremo e! e!)

tia toratoraka mantsy satana

ny loha sy ny tanana ihany mazana

no ataony lasibatra raha mihanahana ô! ô!

(ka tandremo e! e!)

f’ianao tsy vonona mbola variana a!

iainga ny fiara ndrao tratra aoriana

f’’izato ianao efa tena sondriana ô! ô!

(ka tandremo è!è!)

ô!mandiniha re! mihevera!

nenina anie ono tsy mba ela

ny olona lasa ianao ho tavela ô!

iainga isika ô! ô!





STK ANOSIVAVALA

Partager sambo fiara

Commenter sambo fiara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe STK Anosivavaka