4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Samia tsara e - HERY J.

SAMIA TSARA



Efa mba nisy fotoana kely nifankahafantarako taminao

Efa mba nisy ny takariva sy kianja niarahana nilalao

Na ny alahelo na fifaliana izany e

Dia mba niaraha-nizara teto ihany e



Rehefa voatery handeha ianao ka tsy maintsy hisaraka hifandao

Fa ny fotoana tsy mifametra, ny lalako tsy nety ho làlanao

Aza adinoina ny lasa nitosiana

Mba tehirizo ao anatinao mangina



E e e e

Tsy manadino zahay aty

Tsy manadino ôô

Samia tsara e e

E e e e

N’aiza n’aiza no hisy anao

N’aiza n’aiza ô ô

Dia sambara e e



Tsy mba dia sahiko hatram’izay ny nilaza marina taminao

Hoe tena tiako sy nolalaiko ny nidoladola tanilanao

Fa saro-kenatra mantsy anie ’ty zaho e

Sady natahotra ny ihomehezanao



Maro dia maro ny tsy voalaza sy teny mandodona anatiko ao

Fa ny fotoana dia manampetra, tsy azo tazonina ela ianao

Hafatro tokana ity mba tadidio e

Rehefa mba manina anao dia mba valio e

Partager samia tsara e

Commenter samia tsara e

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERY J.