4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Samy hafa isiska - HERY J.

SAMY HAFA ISIKA



Tsy mitovy izaho sy ianao

Na toetra na fanahy  

Na endrika na volo



Fa ny akanim-pahazazako

Tsy lapa toy ny anao

Trano bongo misy ronono e



Samy hafa izaho sy ianao

F’izaho tsy very toky

Na hialangalana



Hoe ho very maina foana

Raha misy faniriana

Mba hiara-dàlana



Soa, soa aza hoy aho

Fa samihafa isika e

Fa raha nananako zay toetra anananao

Tsy ho niriko akory ny hahalala anao



Angamba mahavariana anao

Reo fihetsika fanaoko

Zay nentiko niampita



Fombafombam-piainako

Tsy nahazatra anao

Samy hafa mihitsy isika e



Ka nahoana no iriako

Ho tahaka ahy ianao

Ho tia izay lalaiko



Nefa harena sarobidy

Ny lasa niainanao

Sy ny hoavy andrandraiko



Soa, soa aza hoy aho

Fa samihafa isika e

Fa raha nananako zay toetra anananao

Tsy ho niriko akory ny hahalala anao



Soa, soa aza hoy aho

Fa samihafa isika e

(solo)

Fa raha nananako reo toetra anananao

Tsy misy soa ho ahy, ny nahalala anao

Partager samy hafa isiska

Commenter samy hafa isiska

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERY J.