4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manina ny any alaotra - SOLOMIANADAHY

Ireo voron-drano variana milomano, faly aok’izany mamonjy ny akany
Misosa tsy kamo manamorona rano
Manimanina amoron-drano zaho o tsy tamana, te hiverina an-tanana
Ny mpanarato mivory tsy miato, revo mihira mameno ny hariva
Mamindra tsy taitra manamorona zetra
Manimanina amoron-jetra zaho o tsy tamana, te hiverina an-tanana
MUSIC
‘Reo tovovavy mamikiviky, tratra hariva avy nanihika
Miakatra ny rano o be ny hazan-drano
Manimanina ny any Alaotra zaho o tsy tamana, te hiverina an-tanana
Mameno ny lemaka zay midadasika, voly maromaro o toa mifangaro
Vokatra ny vary e fanefitra mosary a
Manimanina ny any Antsihanaka aho o tsy tamana, te hiverina an-tanana
MUSIC
Raha ho any ianao o tigneno aminanjy any
Raha ho any ianao o volagno aminanjy any
Te hody zaho o te hody aminanjy any
Te hody zaho o fa tsy tamana
2*Lalalaalala te hiverina an-tanana
Manimanina amoron-drano zaho o tsy tamana lalaalalalalala
Manimanina amoron-jetra zaho o tsy tamana lalaalalalalala
Manimanina ny any Alaotra zaho o tsy tamana lalaalalalalala
Manimanina ny any Antsihanaka aho o tsy tamana lalaalalalalala
lalaalalalalalaalalalalalalalalalaalalalalala

Partager manina ny any alaotra

Commenter manina ny any alaotra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe SOLOMIANADAHY