4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola hiaona isika - Solomiral

Mbola hiaona isika, indray andro any

Aoka izay re , ny tomany

Mbola ho avy ilay maraina

Hitondra hery vao sombinaina



Na lavitra aza ianao

Ny foko tsy aiza fa any aminao

Izany hoy aho ry lala ô

Izany akia , lala ô



Andefaso taratasy aho hoy aho

Manorata f'aza malaina

Na ny soratananao ihany aza

Ahafinaritra ahy sombinaina



Ny ela mantsy , maharay roa

Aoka isika e ,tsy hifankafoy

Hivavahana lalandava

Ny fihavanantsika tsy ho rava



Aza matahotra ianao

F'ianao no tiako hatramin'izao

Ka ho mandrakizay

Izany akia lala ô



Andefaso taratasy aho hoy aho

Manorata f'aza malaina

Na ny soratananao ihany aza

Ahafinaritra ahy sombinaina





Andefaso taratasy aho hoy aho

Manorata f'izany no ilaina

Na ny soratananao ihany aza

Dia hampionona aho ,sombinaina


Partager mbola hiaona isika

Commenter mbola hiaona isika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solomiral