4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fiverenanao - Spy-D

Tsy mampino ny zavatra niseho

Raha ianao no heveriko efa leo oh oh

No nitondra ny tara-pahazavana

Vao maraina zany fo mila tsy ho tàna



oh oh oh

Tsiky iray toy ny tara-masoandro

Feo iray toa ventso sandratr\\’andro oh oh

No nandrava ny diam-peniko iny

Mitamberina avokoa zao \\’reo fahiny



-----------------------------------------------------------

     Ref:



Noho ny fiverenanao

Zay efa nandradraiko hatry ny ela

Toa adino_izao

Ilay diam-penina nambarako fa sisa tavela

Mbola tiako ianao

Na mafy sy mangidy aza nilaozanao

nefa_izao tafaray izaho sy ianao



-----------------------------------------------------------



Toa tsy haiko ny hanombohako azy

Mampanahy,manintona sy maka oh oh

\\’njao tsaroako tsy nahitana anao

nefa_izao niverina ianao



Yeah

Tsisy tsiny ireo vita taloha

ankehitriny fitia efa nifoha

\\’lay fitia no zary toa navela

ato am-po misora-bolamena



Ref X 2



Ny ahafantaranao fa tia

De hafoiko ho_anao ireo androko

Ny hivadika dia sanatria

Fa ny fitiavanao no andriko

Ka rahatrizay de ho doria

De tsy hifandao ireo lalantsika

Fa ianao, eny ianao

No tonga oh oh



Ref X 3

Partager ny fiverenanao

Commenter ny fiverenanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Spy-D