4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mila hafa - Spy-D



(voix off)

...Tsy mbola misy miova...ôoô



Toa tsaroko foana

'Lay ora nifahankalalako taminao

Ieny fa na dia teny ny  fotoana

Toa mbola tsy afaka ato an-tsaiko iany hatraminy zao



Fijery nifanena

Toa segondra roa na telo fotsiny any

Tsiky iray tsy haiko no fefena

No naha tonga izaho hy latsa-paka taminao



Asa na ianao tokoa va re no tena tsara, asa tokoa ve na izaho no mora babo

Tsy mba nahay nandalo

Asa na ianao tokoa va re no tena kanto, na izaho no mora tia



Henika aho fa ao aminao daholo ny hatsarana

No kasaiko rehetra

Fahaizana, hatsaran'tarehy sy hatasaran'toetra

Fa tsy ny hatsaranao, fa ilay fo mitempo ao anatiny ao

No miantso inty foko mbola tia



Fa mbola ilaiko foana ianao, ho faniriko

Mbola tsisy niova mintsy lay ftiavako anao

Ilay nofidiko hifampizara ny hafaliako

Na fotoana vitsy monja aza no ahitako anao



Ny fijaliako lavitra ahy

Ny fahoriako anao

Raha mbola ianao no mila sy mpiahy

Matokia ianao f'izaho tsy hiova fo

Fa mbola hy tia anao



Omaly aho nieritreritra

Mety mihena ve ny lanja ny fitia

Nandinika anao de lasa saina

Mba ho inona moa aho raha tsisy an-ndry



Fa na de mifamaly aza isika

Miadihady ka mifandratra fo

Mahatsiaro irery sady mangatsika

Raha vao tsy eo ianao

Miady saina, ka mila ho vaky loha



Asa na ianao tokoa va re no tena tsara, na izaho no mora babo

Ka tsy mba nahay nandalo

Asa na ianao tokoa va re no tena kanto, na izaho no mora tia



(Efa lasa anao daholo) Efa lasa anao tokoa

Ny ato ampoko sy ny saiko rehetra (ny ato ampoko manontolo)

Fitiavana nantolotro tsy mba manam-petra (efa nahafoiko omeko anao)

Fa foiko omeko anao

Ilay fo mitempo ao anatiko aho (famenony ilay fonao ho iray)



Fa mbola tiako foana ianao, ho faniriko

Mbola tsisy niova mintsy ny ftiavako anao

Ilay nofidiko hifampizara ny hafaliako

Na fotoana vitsy monja aza no ahitako anao



Ny fijaliako lavitra ahy

Ny fahoriako anao

Raha mbola ianao no mila sy mpiahy

Matokia ianao f'izaho tsy hiova fo

Fa mbola hy tia anao



Toa tsaroko foana

'Lay ora nifahankalalako taminao

Ieny fa na dia teny ny  fotoana

Toa mbola tsy afaka ato an-tsaiko iany hatraminy zao



Ilay fijery nifanena

Toa segondra roa na telo fotsiny any

Ilay tsiky iray tsy haiko no fefena

No naha tonga izaho te ho tafa latsa-paka taminao








Partager tsy mila hafa

Commenter tsy mila hafa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Spy-D