4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Isika eto an-tany - STK FEON'NY FIHAVAOZANA ANTANIMENA ANDREFANA

Isika eto an-tany ry 'zareo

Dia toy ny voninkazo

Mivelatra tsara ny maraina

Dia nony hariva dia malazo

Vetivety foana

Dia indro fa mihintsana

Mandalo toy izany ô

Ny fiainana eto an-tany



REF:

Raha mbola eto an-tany isika izao

Mahaiza misaina izay atao

Fa ny eto an-tany dia mandalo

Toerana mety hampimalo

Ny fivavahana dia lalan-tora-tady

Hizoran'ny mino

Mankany ankoatra



Isika eto an-tany dia mazàna

Toa taitran-drendrarendra ka tamàna

Adino fa ny andro mihariva

Andraso andraso mandrakariva

Ny jiro fitsilovana e! ho lany

Ny hazavana mihadify hatrany

Mielina ihany ô

Ny fiainana eto an-tany



REF:(2)






Partager isika eto an-tany

Commenter isika eto an-tany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe STK FEON'NY FIHAVAOZANA ANTANIMENA ANDREFANA