raha sakaizako tokoa ialahy
aminy fo madio
hividiano toaka tapany aho
himamoako anio
dia aza hasainy ialahy miresaka aho
fa tsy tantiko
efa mila toa hitresaka
ny ato anatiko
dia vonoy f’aza arehitra
ireo jiro ireo
aza asian’ialahy ady hevitra
fa avelao eo
dia andana koa ialahy mandeha
f’andrao bediko eo
raha sendra reny ialahy
ny redirediko
dia ankatony mora
io varavarana io
ndrao misy manankora
fa mamo aho anio
aminy io toaka io
tsy maintsy afeniko an’ialahy
fa tena adalana ny ahy
na zandrikely tia ahy sy tsy foiko aza
tsy afaka aho hilaza
dia nahoana hoy ianao mantsy ahy
no hisotro ianao
sao dia mba manimba tena lahy
fa tsy fomba izao
tsy afka milaza marina aho
izay antony
fa rhefa tsy hividy ialahy
tsy misy antony
manam-bady aman-janaka aho
sady tiako ireo
tsy mba mahatsiaro lanaka aho
miasa ho an’ireo
saingy angamba totom-bitana aho
ka miavaka
te hanakatra ny kintana aho ho firavaka
rehefa laniko io dia
rehefa mamo aho dia
rehefa katry aho dia
angamba adino hatreo
ity nofy ratsiko