Tsy hanadino anao
Tsy hanadino anao, raha mbola velona,
Tsy hanadino anao aho, sy ireo fiarahana,
N'inon'inona hatao, n'aiza n'aiza misy ahy,
Ny fitia no tsaroko dia ho finaritra,
Fahatsiarovana ao am-po, maharitra.
Ireo andro lasa niainantsika e!
Tsy hiverina intsony,
F'isika nikasa, nefa indrisy, veloma hoy ny antsoiny,
Lalan-kafa no voasoratra mba hizoranao,
Lalan-kafa koa no halehako izao.
Mety misy alahelo mavesatra ao am-po
Misy faharesena tsy ekena,
Ny hany handresena, hifaliantsika roa,
Sambatra isika nifankatia tokoa.
Tsy hanadino anao, raha mbola velona
Tsy hanadino anao, sy ireo fiarahana
N'inon'inona hatao, n'aiza n'aiza misy ahy
Ny fitia no tsaroko dia ho finaritra,
Fahatsiarovana ao am-po, maharitra
Hivavaka aho, mba ho antsika e,
Hivavaka ho anao,
Ka ilay endrikao sariaka tsy hiala eny aminao
'Lay Ray Mpitari-dalana hanoro izay hatao
Angataho e, angataho izay ilainao.
Mety misy alahelo, mavesatra ao am-po
Misy faharesena tsy ekena,
Ny hany handresena, hifaliantsika roa,
Sambatra isika nifankatia tokoa
Tsy hanadino anao, raha mbola velona
Tsy hanadino anao sy ireo fiarahana
N'inon'inona hatao, n'aiza n'aiza misy ahy
Ny fitia no tsaroko dia ho finaritra,
Fahatsiarovana ao am-po, maharitra
Tsy hanadino anao, raha mbola velona
Tsy hanadino anao, sy ireo fiarahana
N'inon'inona hatao, n'aiza n'aiza misy ahy
Ny fitia no tsaroko dia finaritra,
Fahatsiarovana ao am-po, maharitra