4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Io lahatra io - Takodah & Ngah B

Ref: F’io lahatra io ho antsika rehetra tsy ho ary hitovy(x4)

n’inona n’inona ho antsika rehetra tsy mitovy (x4)



[NGAH-B] ’Zao no lazaiko amin’ lah hoe

tsy vita mialoha ny lisitra ary

ts’isy nateraka ho saranga vôkilasy ho gisitra

fa samy abidia no ianarana ka ny abidia no ifaninanana

mivôka any aminy fanadinana ka/

hamafiso zandry ny fandalinana sy famerenana fa/

ny tak’izay de saikazan’ny fanenenana Ka/

ny taktika de iray ihany ny fika de ny mibôsy

raha te ho Boss ka itoeran’ny sôsy any afara

Raha ny vintana misy na de fisaka sy manify ary

mbola tantara izany hiandry ze anjara tandrify

Fa Zanahary manome fa mety ialah le balita tsy ambinina

ka hanambany tena ho badolahy tsy haninona tsy haninona

Ka tchin tchin ho izy ny veran’ tafita ho an’lah mimi ampangina

Ka ny tonon’andro aza samy manana ny azy f’ity no tsarovy

Fa n’inona n’inona ny antsika rehetra tsy mitovy

Fa ny fiainan’ialah tsy fianako na ovina na ovina

Ary ny anjara vitako tsy lahatr’ialah izany ka



Ref: F’io lahatra io ho antsika rehetra tsy ho ary hitovy(x4)

n’inona n’inona ho antsika rehetra tsy mitovy (x4)



[TAKODAH] Satria ve efa lavo nasosan’ny fotaka tafianjera

Naloto akanjo ka tsy tia intsony loko madera

Ny tanana voatery niforitra leom-bônanana

Arovy f’io lahatra io akory ho antsika rehetra tsy ho ary hitovy

Satria ve efa resy manoloana toe-javatra maro nisesy

Tsy mety miato tsy mety hampiova ny fo vato

Ka tato ato torovana

Ny fihetsika kely tsy nahy ho lasa fahalelovana

Satria ve mihevitra ho faran’izay fara hidiny

Tsy fidiny

ka miantso manery tsy sazoka ny tena hitsako ankiafinafina

Tsy kobo intsony ze ho tahafina ho tehafina

Ny Olombelona ho lelafina

Satria ve very irery tonga ny andro sarotra

De hanerena tena ho lasa entam-barotra

Andaozana aina hamoizana aina ny aina haka toerana

Tsy ferana indraindray ny ranomaso

Ny tany ny akaso

Ry mpihaino amin’izany hafatr’izany aza mba saintsaino



Ref: F’io lahatra io ho antsika rehetra tsy ho ary hitovy(x4)

n’inona n’inona ho antsika rehetra tsy mitovy (x4)

Partager io lahatra io

Commenter io lahatra io

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Takodah & Ngah B