4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Niova - Tarika Ralaza

Efa niova tokoa

Niova be hoy aho ny andro androany

Niova be niova be

Tsy toy ny omaly

Be reo mifanditra

Miady hevitra mifamaly

Na ranjaika na tanora lahy na vavy



Taloha olon-droa mitaiza zaza folo

Velona avokoa sy bolangina daholo

Ankehitriny zaza roa mampivadika ny loha

Mampitrosa etsy sy eroa



Ny vidim-piainana misondrotra foana

Ka mikolay ny rehetra fa mampiteny moana

Tsy laitra tokoa aloha

Raha oharina @ taloha

Ny anio ny ampitso mampivaky loha



Ny fifanajana niainana fahiny

Mampitampim-bava

Mahamenatra ankehitriny

Ireo izay mba tenenina indray no avo vava

Toy ny gisa oman-ketsa basy vava



Nefa taloha raha nananatra ikaky sy ineny

Avy hatrany dia nankatoavina ireny

Izao ireo Ray sy Reny fotsy rora tata-bava

Dia nolazaina fa manenoneno lava



Ny fomba fanambadiana nolalaina fahiny

Toa hodian-tsy hita nidifiana ankehitriny

Be ireo mpifankatia no mitokan-tranomaso

Miara-monina tsy misy hena-maso



Nefa taloha raha hanambady

Fa efa tonga taona

Ny fomba rehetra nohajaina foana

Izao ireo mpisakaiza

Efa manan-dimby sy fara

vao miakatra eny ambony alitara



Efa niova ny andro androany

Niova be hoy aho ny andro androany

Partager niova

Commenter niova

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tarika Ralaza