4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sendra kirizy! - Tarika SAKAIZA

Mety ho gagagaga angamba ianao,

Ka hanontanyhoe e!

Avy aiza marina ary no nipoiran’izao,

Toa zava-tsy hary fahita sy tsy fandre.



Tsy lova avy amin-dray tsy avy amin-dreny!

Tsy avy amin’ ireo razana fahiny,

Fa avy iaza marina ary moa izy ireny

sa izao no firevy ankehitriny.



Tsy miafina fa miharihary eto amin’ny tanàna,

Ny tsy fahampian’ ny anio sy ny ampitso!

Izay tsy ataon’ireo hafa higagana,

Izy ireny f’efa hiaraha-mahita e!



Tsy vitan’ ny vary ihanyno hijalian’ ny fokonolona,

Fa hatramin’ ny paraky menaka sy ny sisa e!

Eny hatram’ny sigara ho fohany,

Efa tsy ho takatraitsony ny tige e!



Sendra kirizy ka mahatsiaro,

Ny tenamangidy e!

Tojo ny tsy fisiana e!

Ka mahatsapa fangirifiariana e!



Mahonena ny vahoaka,

Izay sokajin’ ny ambany!

Mividy vary tsy ampy laoka,

Satria zara raha misy ny androany!



Tsy misy ny hatokona,

saingy tsy hafa-manoatra!

Fa dia mikiry sy mitrosona,

Mitady izay mba ho kapoaka.



Tsy misy ahafahana mitsitsy,

Ny vola kely mba hananana!

Izay jerena dia toa mampikipy,

Fa vidim-piainana midangana a!


Partager sendra kirizy!

Commenter sendra kirizy!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tarika SAKAIZA