4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ranomaso efa ritra - Tempo Gaigy

Nataoko izay tianao natao e (fa tiako foana ianao)
Fitiavana nomeko anao e (tiako foana ianao)
Na ataonao tsinontsinona aza aho
Tsy mampaninona re izany e (tiako foana ianao)

Fitiavana kilalao ve (tiako foana ianao)
Fitia mba nomenao ahy e (tiako foana ianao)
Na dia nangirifiry aza aho
Tiako be tiako foana ianao

Nanganohano anao eny avy eo dia
Mitomany anao foana (oh oh)
Ranomaso efa ritra aza nefa
Narotsako ho anao indray
Taratasy iray monja sisa
No mba navelanao ouh
Sary, sary efa rovitra iny
No fahatsiarovana
Navelanao (tiako ianao)
Nomenao ahy (tiako ianao)
Ianao irery ihany (ouh ouh))
Raha mbola eto an-tany
Fa tiako ianao (2x)
Ianao irery ihany
Raha mbola eto an-tany

Nataoko izay tianao .....
.....tiako foana ianao

Alahelo tsy mety ho resy
Mandratra lava ny fo
Malahelo anao foana aho letsy
Ka mitomany ao am-po
Fahatsiarovana toa tsy ho vita
Raha ny tantaram-pianantsika
Nanasako ireo lasantsika
Ilay ranomaso efa ritra
Foiko ho anao
Foiko ary homeko anao
Hataonao fahatsiarovana
Fa tsarovy foana anefa
F'ilay tany fandalovana
Foiko ho anao (foiko ho anao)
Omeko anao (omeko anao)
Anao irery ihany (ouh ouh)
Raha mbola eto an-tany
Fa tiako ianao (2x)
Ianao irery ihany
Raha mbola eto an-tany

Nataoko izay.......
.....Tiako foana ianao.

Partager ranomaso efa ritra

Commenter ranomaso efa ritra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tempo Gaigy

Suite