4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anatra - Tianasoa

ANATRA (Version malgache de « Pense à ton avenir » )



1°) O ! zandry e ! mananatra anao’zaho !

Mba hendre, aza variana milalao

Mba misaina e! Fa tsy ho zaza foana ianao a ! a, ovay ny fombanao

Aza malaina, na koa miferin’aina

Mikeleza aina, mbola ho avy ny maraina

Miezaha a ! a! ...Milofosa a ! a! ..Dia matokia !

Tsy maintsy handresy ianao



2°) O ! zandry e! Raha mba manoro anao ’zaho

Maneke hoe tena diso ianao

Mba mailo e! Fidio ‘reo namana ‘zay iarahanao, mampiana-dratsy anao

Aza mafy loha, be famaliana ianao

Mba hevero moa, ny henatr’olona

Mifonà ianao! ....O Miovà ...a! a !...Mba meteza a! A!.

.Ny ho hahitsy ianao



« Mba henoy ihany ny tenin-jokinao zandriko ô ! efa avy teo anie aho anie no niala e!….”



3°) O ! zandry e! ‚’Zao no hafatro ho anao

Mikendre izay hahatafita anao

Mba mitraka e! Raha manta vary indray mandeha ianao, ho avy ny anjaranao!

Aza mba kivy, na hoe mamoifo o

F’ianao (e)fa tsy ankizy, manàna herim-po

Mahereza.a.! ...Mahareta a!.….Manàna ambom-po,

Alao hery izao, mifohaza ianao, banjino ny ho avinao, Tsinjovy ny ho avy ianao.





Paroles et mélodie : Tianasoa ( Août 2003)


Partager anatra

Commenter anatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tianasoa