4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mba lazao - Tianasoa

MBA LAZAO



O !.. angamba fantatrao, sa vahiny koa ianao

Mbola eto ve ‘ngahy Rajao, sa ve olon-ka fa no ao ?

Hono ho aho e ! .....mba lazao, ...mba valio raha sitrakao

Itsy trano vaovao,.... tsy ry Manda ve no ao ?

.........................

Moa..... ve ....tadidinao, i Rabeva sy Lalao

Henoko fa hoe tera-bao, ....ny misy azy ve hainao ?

Hono ho aho e! ....Mba valio, raha toa diso ahitsio

‘Ngahy Randretsa maty moa ? ilay piresidà taloha



Efa ela mantsy izay,. no tsy nankaty ‘zahay

Ka toa niova avokoa, ‘reo reperanay taloha

Efa ela tokoa ‘zay, tsy nandeha taty ‘zahay

Ka toa tsy hita avokoa, ny olom-pantatray taloha





“Fa nankaiza daholo ho aho, ireo trano teto e?

Dia lasa aiza koa, ‘lay hazo fialofanay teo?

‘Zay rehetra jerena, toa zary magazay

Dia lasa aiza koa, ireo namana hatrizay e ?

‘Zay niara-nihosom-bovoka, nilalao taminay  ?

Voatery nifindra.... daholo ve ? sao dia ananao re,...... ilay adiresy e ? “

O mba lazao o ! o! o  ............. raha fantatrao



O ! mba lazao moa,....  raha mba fantatrao e!  



O mba lazao o ! o! o!  .............. raha sitrakao



Aza afenina ahy moa,...     raha toa ka fantatrao e!  





Chorus et voix lead : Niova avokoa, ‘zay tety taloha

‘Lay tsena teto, dia nafindra koa....................O mba lazao

‘Reo namanao ‚ndray, efa ela izay

Nandao ny tety, nifindra ho ery ......................O mba lazao







Paroles et mélodie : Tianasoa ( Août 2003)

Partager mba lazao

Commenter mba lazao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tianasoa