4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Veloma farany - Tsiory

Nivadika ny lanitra

Nihovitrovitra ny tany

Tambotsitra aho niakapoka

Sady latsaka tomany

Satria veloma hoy ianao

Mamela ahy hoy ianao tonio ny fo





  Dia ny orana sisa

  No nijohy nilatsaka

  ’Njao havandra sy kodro-baratra

  Fa ilay fitia noheverina haharitra

  No ity voazera ringana





Nareninao ny vatako

Nofafanao ny masoko

Dia hoy ianao nanampy hoe

Mahereza ka mionona

Fa vao norohanao aho  

’Zaho mbola fanimpanina

Rototrotika fitia hisarahana



  

  Dia ny orana sisa

  No nijohy nilatsaka

  ’Njao havandra sy kodro-baratra

  Fa ilay fitia noheverina haharitra

  No ity voazera ringana





Nony efa tonga saina aho

Ianao efa lasa nandao

Ny aloka nihalavitra

No hany sisa tazako

Dia izay ilay sary farany

Niraikitra tao am-poko ao

Izay liay ora farany hahitako





   Dia ny tomany sisa

   No navelan’ilay fitia  

   Alahelo mafy

   Tsy misy farany

   Fa ilay fitia noheverina

   Mba ho doria no nanjary

   Veloma farany






Partager veloma farany

Commenter veloma farany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tsiory