4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vaka - ANDIAM-PIHIRA SERAFIMA AMBONDRONA FIRAISANA

Andriamanitra ô, dia nasehonao tokoa

Ny fahalehibiazanao ka notanterahinao ny teny

Foinao Jesosy, Ilay lahitokanao,

Mba ho famonjena ahy ’zay mpanota ratsy e



Fomba ahoana loatra e! no nanomeznao

Ilay zanakao ho fanavotana ahy

Tsy mba takatry ny saiko

Ary tsy voavidy vola,

tena mahavaka ahy ô

Ilay fitiavanao



Eny ho’aho Jesosy ô! raha tsy nanaiky Ianao

Ny ho faty tamin’ny hazo, dia ny hazo fijaliana

Tsy ho nahalala ’zany fahasambarana

Na ny foko na ny saiko ary indrindra ny fanahy



Fomba ahoana loatra e! no nanekenao ahy

Ho eo ambalanao ry Mpiandry ondry mora

Tsy mba takatry ny saiko

Ary tsy voavidy vola,

Tena mahavaka ahy ô

Ilay fitiavanao



R.R. Patrick

Partager vaka

Commenter vaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ANDIAM-PIHIRA SERAFIMA AMBONDRONA FIRAISANA