4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vavaka - NY FANILO

Andriamanitra fitiavana

no mamomba sy mijery re

tohano ny fiainanay

arovy indrindra tompo tia oh!

areheto re ny jiro ao am-po

hanenika ny fonay

tompo tia oh manampia

fa Ianao no Ray Mpiaro.



Arovy tsy ho lavo re

amin’ireo fakam-panahy

tantano sy tsinjovy koa

fa ianao no tena faniloko.

Mitoera ry jesosy ato am-po

mba ho tompon-trano ao

fa tena sambatra tokoa

ny fo izay itoeranao.



Jesosy eo indreo koa ny havanay

sy ireo malagasy namanay

izay voagejan’i satana

sy ireo karazam-pahotana

Iangaviako Ianao ry Tompo Tsara oh

mba vahao re ny fatorany

fa raha ianao manafaka

ireo rehetra ho afaka.



Tsy izany ihany fa ao koa

ireo olona maneran-tany

izay mbola tsy nandray anao

fa satana no mamatotra azy

Iangaviako Ianao ry Tompo Tsara oh

mba vahao re ny fatorany

Fa raha Ianao manafaka

Ireo rehetra ireo ho afaka




Partager vavaka

Commenter vavaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NY FANILO