4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vavaka - SOLO MIANADAHY

VAVAKA

SOLO MIANADAHY



Ao Ianao ry Ray be fitia ô

Izay mandre ny feon’ny olonao

O mba henoy izahay miantso Anao

Misaotra Anao tokoa zahay



Olo-mania sy mpanota izahay

Tsy mendrika hiantso ny Anaranao

Nefa Ianao Tompo dia tsy mahafoy

O mamelà ny helokay



O mba tahio re (mba tahio re)

Aza afoy koa (f’aza afoy koa)

Fa be ireo fahoriana ety

O mba arovy re (mba arovy re)

Fa be reo loza e (be reo loza e)

Sy fahavalo nda hamely anay



Matoky Anao izahay Ray be fitia o

Mba tsy ho very ireto olonao

O mba ampidinonao ange ny famonjena

Fanantenana ho anay



Ao Ianao ry Ray be fitia ô

Izay mandre ny feon’ny olonao

O mba henoy izahay miantso Anao

Misaotra Anao tokoa zahay

Partager vavaka

Commenter vavaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe SOLO MIANADAHY