4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Veloma ianao - Rija Oelijaona

Vorona aza moa mahalala mody,

rehefa injay midona ny oram-pahavaratra

Ireo tsiriry sy zana-drano mandao kamory

rehefa tonga ny tsy azony hanoharana



Ny alina aza aky noraisiny ho rafiny taratra maraina

Nahoana no izaho trotraky ny talaho

reraka ny miangavy anao.



Nody hampody aina aloha

sa hisitaka haka saina

satria nofo sy rà ny ahy

moa va tsy aina?

Manana ny mangirifiry raha sendra maratra



Eny na dia hoe miredareda

ny afo lavitra tsy azoko amindroana

Raha fanala mitsilopy tsy hoentiko mitety alim-be

mikitroka sy feno aizina



Raha sento sy toloko no any azoko jinjaina raha fararano

tsy ho tsiny angamba hoy aho raha toa ka dieny izao

no mifampitsodrano



Raha fikelezana ho tiana no hitondrako fahoriana

ka tsy ho tsiny angamba hoy aho

ny handao anao hitia olon-kafa anie aho

ka veloma ianao.



Raha sendra ka any ho any enao ka mandeha izao hira izao

Aoka lahy tsy hamoaka eny na dia sento iray

fa sao lahy mandratra anao ao aoriana ao.



Fa fitiavana no nanosika ahy hiantoraka ho eny aminao

ka nandao

Aleo hirotsaka ilay vongandranomasoko indray mitete

ndrao manody anao.

Partager veloma ianao

Commenter veloma ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Oelijaona