4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Veloma ry tanàna - Album Music

Hisaraka eto isika izao,

Hisaraka indray.

Mirava ny lalao,

Handeha izahay.

Hokoboniko ao,

Iilay afo mahamay.



Hanomboka ny ady,

Amin’ny alahelo.

Toa tsapako sahady,

Injao mamelovelo.

Hamoha ny voady

Sy tsy ambaratelo.



Fiv: x2

Veloma ry tanana,

Veloma ry ianao.

Tsarovako mazana,

Ilay salovanao.



Haoriko ny lamba,

Hilaozako ianao.

Ilay foko efa jamba,

Nampahiratinao.

Tsy ho haiko angamba,

Ny hanadino anao.



Midoboka mangina,

Ny ao anatiko.

Zakaiko ampitsikiana,

Ny fandaozana anao.

Zakaiko ampitsikiana,

ny alahelo anao.



Fiv

Partager veloma ry tanàna

Commenter veloma ry tanàna

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Album Music