4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mifona mivalo - V.H.F

MIFONA MIVALO



O ry raolombelona o matoa isika izao Mbola velona o

Dia tadidio fa misy mpiahy sy misy mpamelona ô

Dia ilay Tompo Andriamanitra

Andriamanitra Andriananahary

Ilay tompon’ny tany tompon’ny lanitra zava-boahary

Anazy avokoa anazy izao tontolo izao o

Ny zava-boahary rehetra na izaho na ianao



Tsisy tompony isika fa natao ho mpihindrana ihany

Fa  azy ny lanitra azy ny fiainana azy ny tany

Ity tany ity tsy iainana mandrakizay e

Fa ho fandalovana lalana mankany amin’ny Ray



Mifona aminao mivalo aminao aho

Ry Tompo Andriamanitra ô

Fa ny heloka vita sy ny fahotako tsy ahitako ny lanitra e

Fa ny lanitra tokana ihany fonenana mandrakizay e

Raha voavela ny heloka dia hitoetra eo anilan’ny Ray



Miverena modia o ry ondry nania

Miverena modia aza varimbariana aza be siasia

Ataovy ampy izay ny vita rehetra hatrizay e

Andeha re hibebaka aterina hiverina ambalan’ny Ray



Tsy misy ratsy ny zava-boahary nataon’Andriamanitra o

Fa tsara daholo ny zava-drehetra amin’ny tany aman-danitra

F’Isika olombelona no indraindray toa be siasia

Ka mody tsy maheno ka tonga ary koa nania

-Dia nandika ny didy ary koa nandika lalàna

Fa voarebirebin’ny asa maloto nataon’I satàna

Dia nivarina an-kady nandeha tamin’ny lalana tsy izy e

Dia niosona loto niosona ota

Jereo izato izy e- (2)



Ankehitriny miantso anao zao ny Tompo ô

Manetry tena hanadio aminao izay maloto ô

Ka inona ihany ary no Mbola hisalasalana e

Efa ny Tompo mihintsy no miantso haneho fahagagana

Partager mifona mivalo

Commenter mifona mivalo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe V.H.F