4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fakampanahy - Vahatra

Matetika tonga ny fakampanahy

Manintona hatrany ireo zazalahy

Andositra foana amin'ny fianarany ô ô

Hingitrika lava tsy misy farany



Tanteraka mantsy ny sitra-po

Ka hingitrika foana no ao andoha

Fa ny mahita ny fiainana tsara hatrany ô ô

Ny lafatra rehetra eto ambonin'ny tany



Ao ny mivazo amin'ny gitara

Ao ny manandrana ny mbola voarara

Ao reo karazan-doka tsy mety ho vita ô ô

tsy fantatra intsony na revy na ditra



Misy karazany ireo kilalao

Ka samy mifidy izay tiany atao

Izay drodroka moa

Dia mahazo maka aina

Fa rehefa sitra-po tsisy ankitaraina



Izay mbola mazoto manohy ny revy

Mifoka migoka , mivezivezy

Tsy ferana intsony ny rediredy

Satria ny any ivelany tsy misy bedy



Fa hiakatra rehefa avy ni-balady

Ka ny excuse dia hoe malady

Tsy maintsy ampiasaina ny fikafika

Alohan'ny hanaovana matematika



Kanefa ry lahy toa tsy noheverina

Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ô

Fa ho avy ilay faran'ny taona malala ô ô

Ahitana ny ho faly sy ny ho lasa adala



Tandremo ry nama

Ny atao sao manody

Fa ny hadalana tsy hitondra fanafody

Hanandratra antsika , hampiakatra antsika

Hitamberina ao antsaina reo heloka vita



Matetika tonga ...












Partager fakampanahy

Commenter fakampanahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vahatra