4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao - Vetson'Androy

Hiombom-pitia aminao aho raha toa ka sitrakao

Hisedra sy hamakivaky izao fiainana izao

Raha  toa ka ianao no mitantana ny diako

Ho sambatra tokoa ny tokantranoko

Ny fahoriana ho zary hafaliana

Ho tsiniko ve ra toa manambara

Ny fikasako anao mba ho anjara

Izany no faniriako, tsy afaka an-tsaiko ny endrikao

Mamiko eny tiako ho ahy ho doria



Ireo zanatsika rehetra rahatrizay

Mbola hanamafy ny fitiavantsika indray

Ianao sy izy ireo no ravaky ny tokantranoko

Ho saribakoliko, ho filalaovako

Hanafaka ny sorisoriko



Izany hafaliako raha tanterak’izany

Tsy hisy iriako intsony eto an-tany

Ho tonga lafatra ny hasambarana satria ianao

Ilay nofidiako sy efa tiako hiaraka amiko


Partager ianao

Commenter ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vetson'Androy