4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antitra izy - Voahangy



Antitra izy,

Efa boboka sy konka ka koloina toy ny entana efa konka.

Antitra izy,

Efa anjorom-bala irery, resy ka miverina ho zazakely.

Antitra izy,

Efa nikentrona sy maina, lalodalovana toa jako very saina.

Antitra izy,

Ny aina efa marefo, tsy hay na faly na hafa ka hisento.



Fotsy rora raha niteny, efa ritra ranomaso

Tsisy herin-tsaina intsony hoentina hisedra ankaso

Ny tongotra mamindra mikisaka manisa

Tsy andrasany eto an-tany hafa tsy andro vitsy sisa.



Antitra izy,

Najokon’ny taona maro ka mazana mitadidy mifangaro.

Antitra izy,

Aina moa ka tsy azo ariana, mirediredy koa mehezana mangina.



Tsy antenaina hiotiana

Fihazana indray mitete ;

Avily lalana aza

Raha vao hoe mikiry handeha ;

Hifanilihana mazana

Izay iraka ilainy !

Tsisy fetra ho azy intsony,

Iza moa no antenainy ?



Hitako izy

Toa nitsiky nitomany raha nandre fa ilay sakaizany efa ela

Natory tsy nifoha

Ka ho alevina androany ; naika hanotrona izy nefa tsy navela.



Nipetraka izy nitanondrika

Ary toa nanganohano

Aleony maty F’izy efa

Manahirana ato an-trano

Ny hany redirediny

Dia ny hiondrana mba hody

Hamonjy ireo malalany

Any amin’ny varo tsy mifody



Antitra izy,

Izay lazainy tsisy mino, izay mba vitany aza moa dia hadino.

Antitra izy,

Mila vaniny mazana, tsy mahatombon-tsiraka toa tsy tamana

Antitra izy,

lalalalala

Tsapana tokoa fa ny antitra toa azy izao, indrisy,

Tsangan’olona efa kaontin’ny tsy misy.

Partager antitra izy

Commenter antitra izy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite