4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fetinao - Voahangy

Nikolokolo isika, nanabe, nikarakara

Ireo zanantsika soa fa mba tafita soamantsara.

Tsy nitsitsiana hery, namafazana harena,

Tiana mantsy fa mba menaky ny aina.



Mila tsy hahatsiaro isika fa mpifankatia,

Fa toa ny olon-droa, voatery hiaraka satria,

Mpivady ka ny sisa hery, manankamban-tsaina,

Ka dia miasa mafy tsy mitandro aina.



          Mba fetinao, mba fetinao androany,

          Hatramin’izay nodian-tsy hita izany,

          Raha mety ianao, haveriko eto indray,

          Ny TOKY izay nomeko taona maro izay.

          Fa fetinao, mba fetinao androany,

          Mba fifaliana ka aza mitomany,

          Raha mety ianao, andeha isika roa

          Hifampitantana indray toa ny taloha,

          Iray fo.



Raha mety ianao, andeha isika ho eny amoron-drano,

Hivetsoako tononkalo ianao, hitantarako angano,

Izay sakafo kely mba efa vitako maraina

No hovimbiniko ao ho antsika sombinaina.



Tsy afaka ato an-tsaiko, ilay asabotsy iray,

Takariva mamy taona maro lasa izay:

Voaly fotsy, raozy mavokely, teny iray,

No nampikambana antsika ho iray.



Toa vao omaly ireny raha tsy ny maso no mahita

Ilay volonao izay fotsy, nanabe ny akanintsika,

Ny fahanterana no nampikentrona ny nofo

Fa ny fitiavako anao tsy miofo.





           Mba fetinao.......

Partager fetinao

Commenter fetinao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite