4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia tsy tanteraka - Voahangy



Tsy tian’ny masoko intsony

Ny ahita ny endrikao

Tofoka aho ankehitriny

Noho izay efa vitanao

Sahy zavatra ianao

Ry noheveriko ho bonaika

Nahay nanafin-toetra

Mody tsy niraika



Ny hetraketrakao

No nandratra izany foko

Ry tsy mataho-tody

Ry hany namborahako

Ny tahirin’ity foko

Hatrizay ela izay

Norombahinao daholo

Nentinao niolo-may



Avy tao am-ponao ve

Reo teny mamy feno toky

Sa teo am-bava teo ihany

Na tsianjery tamam-boky

Nentinao nangoliana

Ny fitiavako efa jamba

Lavo izy ka resena

Sendra toky rambaramba



Ny hetraketrakao...

Partager fitia tsy tanteraka

Commenter fitia tsy tanteraka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite