4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny havako, havako foana - Voahangy

Na tebahina izy ka ho fosaina fa mavomavo

Na dia tsy mahalala fomba fa lazaina ho tanavo,

Na tsy misy fotony aza f’olon-tsy ahoan-tsy ahoana

Mbola havako foana



Na mahantra anie io na zefa sady bokona kely

Tsy mampiova ny fitiavako azy koa velively

Na tsy manan-ko atokona fa olona ambany

Mbola havako ihany



Na mitrongy izy vao homana na tsizarizary

Na dia ratsiratsy akanjo sady be malabary

Tsy atakaloko ny hafa f’isam-pianakaviako

Noho izany dia tiako



Na akoraina f’olon-dresy na koa hoe mpitsok’ovy

Tsy maninona f’ekena saingy izao no tsaroVy

Adalako iny angamba tsy mba manan-tsaranga

Ahy ka tafiako lamba



Tano ny anareo manjamanja

Ny ahy mety ho vangavanga

Na dia malotoloto

Ny ahy lehiretsy tsy foiko

Na dia hoe fanaraby

Na dia hoe badobado

Na tsy be diplaoma

Ny havako, havako foana

Havako foana .....



Na hanaovana ny farahehy sy ny fanalan’andro

Na lazaina fa tsy manana ampy koa raha miakanjo

Fa tambanivohi dahy no sady mafimafy ady

Havako izy azafady



Na dia tsy olo manandaza, tsy mahay taratasy

Kapa fingotra no ananany, izy mihinanm-paraky

Tsy afa-miaingitra amin’izay lamaody fantatra farany

Havako izy no anarany



Valala fiandry fasana izy no sady mpiandry tanana

Tsy mba mana-petrabola na tambazan-karama

Izay vokatra any an-tsaha no mba zarainy aminay

Izy no havanay



Tsy izy anie no hizahozaho aminareo mahery

Sanatria tsy hieboebo hisehoseho velively

Fa mitoka monina eny, miondrika izy fa ambany

Fa dia havako ihany



Tano ny anareo etc.. etc...



Mpihira : VOAHANGY

Partager ny havako, havako foana

Commenter ny havako, havako foana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite