4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny vadiko - Voahangy



Tonga indray ianao rehefa avy vizana nandeha

Nivenjivenjy tany ambadika any

Tsy niarahaba ianao, toa tsy nanoroka ahy fa hoe

Handalo hisolo akanjo fotsiny ihany

Toy ny fanaonao rehefa miserana ohatr’izao

Manopy maso kely an’ireo ankizy

Hendry ve i Bodo? Mianara tsara ianao, ry Jao

Tafandria mandry izato izy.



Mipitrapitra fotsiny no hany vitan’izy ireo

Nozarinao nilaozana eto foana

Tsy hainy ny nandao, tsy hainy koa ny mitoreo

Satria ianao tsy eo mandavan-taona

Na izany aza anefa ny sakafonao

D’hofonosinay hafana tsara

Isan’andro izany, na ho avy na tsy ho avy ianao

Ianao mantsy aminay tsy diso anjara



Fiv.: Fa mbola tiako ianao

       Mbola tiako sady mamiko

       Mbola tiako ianao

       Tiako mandram-pahafatiko



Ny havako, ny namako, ny rehetra ao an-tanana

Manebaka ahy ho adala avokoa

Ny tondro-molotra, ny fosafosa ao am-piasana

Dia hazofijaliana ho ahy tokoa

Nekeko anefa ianao teo amin’ny lanitra sy tany

Nekeko f’ilay vady izay finidy

Koa asakasantsika izay mivadika amin’izany

Ny zaza koa iretsy mbola adidy



Any andro izay tsy hiantsoako anao hipody

Hiverenanao eto aminay

Ho ranomaso angamba no hitsenana anao mody

Dia ranomasom-pifaliana izany

Eny na dia aza eo am-pialana aina

Fotoana fohy mba hiarahantsika

Hifamela isika, hamela anao aho sombinaina

Raha izay no fiainana mba vita.


Partager ny vadiko

Commenter ny vadiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite