4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sombiny - Voahangy

Na ho sombintsombiny ihany aza no azonao omena

Na ho sombintsombiny ihany aza dia manantena

Mahatsiaro tena ho irery

Indraindray aza toa very

Mila namana aho fa tsy sanatria hoe an-tery



Na ho sombintsombiny ihany aza dia mbola mino

Na ho sombintsombiny ihany aza dia aza hadino

Fa ny aty miandry hatrany

Na dia lavitra ny tany

Manantena fa mbola hihaona indray andro any



Omeo sombiny aho na ho sombin-taraina

Omeo sombiny aho raha azonao zaraina

Omeo sombin-Tsiky aho toy ilay fahizay

Fa ny masoandrom-piainako hihiratra indray



Omeo sombiny amin’ny alahelonao

Fa hohajaiko ny tsiambaratelonao

Omeo sombim-pitia aho na ho sombiny aza

Fa hokoloiko fatratra tsy ho voalobo-jaza



Na ho sombin-kira iray aza no ho azoko hiraina

Na ho sombi-masoandro amin’ny maraina

Ho ampy ahy tokoa tokoa

Ka na inona hanjo

Raha atolotrao ho ahy ka amin’ny fo



Mila ny fanampianao

Ka tolory tanana aho

Aza ilaozano fa mahantra ity havanao.

Partager sombiny

Commenter sombiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite