4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tena mafy - Voahangy

Tena Mafy



Hoe tena mafy, ekeko izany

Mampirotsaka tomany

Ny tsiahy maminao toy ny fahiny ;

Dia tena sarotra tokoa

Na dia ao ny hambom-po

Ka hanadino anao ry olon’iny.





Mafy izany fa hiaretako

Tsy hibaboka ny tenako,

Hirifiry mamy loatra

Ny alahelo mandroatra.

Bitsika tsy nahy

Nefa kosa mampatsiahy

Ny lasantsika oooo

Sy ny taloha namoha, namoha

Izay tsy hifoha, hifoha,

Tsy hifoha mandrakizay





Ekenao mafy fa mbola misy

Alahelo izay mikiky

Ilay fitia izay nasandratro ho ambony.

Dia tena mila tsy hampino

Raha ianao no manadino

Ka minia tsy mahalala intsony.



Mafy izany ... (in-2)



Ekenao mafy.


Partager tena mafy

Commenter tena mafy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite