4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toa anao - Voahangy

TOA ANAO



Toa anao izao koa anie aho

Mba leon’ny fiainana koa aho indraindray

Toa anao izao koa anie aho

Nanankim-po tamin’ny sitrany ahay

Mbetika sorena aho dia mba milalao

Faly aho rehefa mety ny atao.

Toa anao ihany koa manana hambom-po

raha sendra voa



Toa anao izao koa anie aho

Nitsiky ivelany nefa tomany

Toa anao izao koa anie aho

Na reraka aza dia miezaka ihany

Nizaka ratra koa aho impiry

Nivoajamoala sy nangirifiry

Toa anao ihany koa nanana hambom-po

raha sendra voa.



Fiv: Toa anao tsisy hafa tokoa aho

      Kamboty niady aho ny mba ho tafita

      Nanao izay rehetra azoko atao e

      Izay fara-heriko tokony ho vita

      Tsisy hafa mihintsy aminao e

      Mba nitia aho kanefa nariany

      Nanante-tsy nisy aho, niantso vonjy indrisy aho

      Fa dia nanetsena tadiny



Toa anao izao koa anie aho

Nanofinofy aho satria mba tanora

Toa anao izao koa anie

Mba naniry ny fiainana mora

Nanao an-dolom-po aho mazana

Nitroatra aza satria tsy voatana

Avy eo anefa aho nanenina indray

Nandini-tena dia fay.



VOAHANGY

Partager toa anao

Commenter toa anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite