4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tokantrano - Voahangy

Nikolokolo isika, nanabe, nikarakara

Ireo zanantsika soa fa mba tafita soamantsara

Tsy nitsitsiana hery, namafazana harena

Tiana mantsy fa mba menaky ny aina



Mila tsy hahatsiaro isika fa mpifankatia

Fa toy ny olon-droa voatery hiaraka satria

Mpivady ka ny sisa hery manakamban-tsaina

Ka dia miasa mafy tsy mitandro aina



Ref : Fa fetinao, mba fetinao androany

Hatramin’izay nodian-tsy hita izany

Raha mety ianao haveriko eto indray

Ny toky izay nomeko taona maro izay

Fa fetinao, mba fetinao androany

Ka fifaliana fa aza mitomany

Raha mety ianao, andeha isika roa

Hifampitantana indray toy ny taloha, ho iray fo



Raha mety ianao, andeha isika ho eny amoron-drano

Hivetsoako tonokalo ianao hitantarako angano

Izay sakafo kely efa vitako maraina

No hovimbiniko ao ho antsika sombinaina



Toa vao omaly ireny raha tsy ny maso no mahita

Ilay volonao izay fotsy, nanabe ny akanintsika

Ny fahanterana no nampikentrona ny nofo

Fa ny fitiavako anao tsy miofo



Ref:…



VOAHANGY

Partager tokantrano

Commenter tokantrano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite