4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsiaro anao - Voahangy

Rehefa hadiva ho hariva ny fara vodilanitra iny

Mitamberina indray ny alahelo sy ny tsiaro anao

Mivadibadika aho mazana anaty torimasoko ao

Mila anao..  Tia anao... Aiza ianao...



Any ho any ianao izay mba mahatsiaro koa va re

F’izaho tsy very dia,  manembona isan’andro anie

Any mantsy ianao fitiavan-tsarobidiko

Tokana tsy atakaloko



Volana iny no antenaiko hamangy ny tananao

Volana iny no jereko fa ao no itarafako anao

Dia tsarovy ry lalaiko f’izaho mivavaka ho anao

Enga anie izaho sy ianao, hihaona indray



Ny toera mamintsika no vangio indraindray

Rehefa injay tsy tanty ny alahelo sy ny tsiahy

Bitsiho malefaka ao ireo teny mamy izay fanao

Fibitsibitsiko tan-tratranao



(musique)



Ny elanelan-tany tsy hanova ilay fitia

Izany havako izany, miandry anao aho , matokia

Tsy izay fitia miserana no hamoizako anao

Mamy loatra ny fitiavanao

(musique .. fin)

Mpihira sy Namorona : VOAHANGY

Partager tsiaro anao

Commenter tsiaro anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite