4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy aleo ve mba mifankatia - Voahangy

Efa voasoratra f’isika izao

Tsy haharitra ety fa tsy maintsy handao

Miserana ihany ka tsy ho fantatrao

Ny ora izay iantsoana anao



Tsy azo ivalozana izay ora izay

Tsy safidintsika no atao f’AZY Ray

Novolavolainy fa vovoka ianao

Vovoka no hiverenanao



Miomana dieny izao ianao

Miomana fa tsy ho fantatrao

Saintsaino ihany izay tokony atao

Aza manjehy ny andro lava toy izao e!



Miverina (Efa voasoratra fa ...)



Raha misy hadisoako natao taminao

Ndao hifamelana aza to fo toy izao

Raiso ny tanako hifonana anie

Izay ratsy vita aoka re



Mpivahiny isika mandalo no ety

Ny fo vatonao ve dia tena minia

Tsy te hahalala ka tsy hamindra fo

Dia tena tsy hamela tokoa



Raha ho avy ilay ora handaozako anao

F’izany no andrasana ety

Dia izay ve no vita vao ho tsapanao

Fa naleo ihany nifankatia



Efa voasoratra f’isika izao

Tsy haharitra ety fa tsy maintsy handao

Raha ho faty ihany tsy aleo dieny ety

TSY ALEO VE MBA MIFANKATIA....



TSY NALEO VE MBA NIFANKATIA.....



Mpihira sy Namorona : VOAHANGY

Partager tsy aleo ve mba mifankatia

Commenter tsy aleo ve mba mifankatia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite