4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mifametra ny aina - Voahangy

Raha izay no lahatra tinendry anjarako

Hamela malalaka anao handao k’atao ahoana moa

Izay efa lasa

Aoka hoavalona ho tantara

Tsikin’olon-kafa

Eo anilanao izao no tsara

Izay efa lasa aoka iny hivalona ho tantara

Fa tsikin’olon-kafa ho anao izao no tsara.



Ny endrikao iny

Voatery hanaiky ho aiza intsony

Ny vavak’ hisedra hisaorako ny ao ambony

Namela hizara taminao fitia sarobidy

Nokoloiko ho tsara nefa nitandra ho ahy mangidy

Namela hizaka taminao fitia sarobidy

Voakolo ho tsara nefa nitandra ho ahy mangidy



REF.

Tsy mifametra akia ny aina

Nefa dia sahiko lazaina

Raha tambitamby teny mamy

Raha mbola hitia mbola ho vitako ihany

Ny tenako, ny aiko omeko ho an’izay dina iray nekeko

Fa ny ato am-poko kosa indray hikatona mandrakizay



Ny saiko ho zatra, mety ho afaka hanadino

Fa ny fo maratra sarotra ho azy akia ny hino

Manombok’eto

Zary ho anaran-tsy ho very

Tsy sahy ny mitia

Fa tsy haiko anie ny hitoetra irery

Manombok’eto

Zary ho anaran-tsy ho very

Ho hay ny mitia fa tsy haiko ny hitoetra irery

Partager tsy mifametra ny aina

Commenter tsy mifametra ny aina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite