4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mibebaha - Volcan

Mivadibadika ambony sy ambany

ny fianan’ny olombelona eto an-tany

mifamono, mifanenjika hatrany

tsy mahalàla ’zay hiafaràny



Misy aza miseho ho mpivavaka

kanefa mpia-tsara velatsihy

ambodia mitafy hodi-janak’ondry

mandripaka ireo namany



ref: mibebàha, mifonà, ianareo

     mibebàha, mifonà, ianareo

     mibebàha, mifonà, ianareo

     mibebàha, mifonà, ianareo



Fa ny masoandro aza hody haizina

ny volana kosa hody rà

ireo kintana ireo de hiraraka

hiparitaka, hanjavona daholo



Rehefa tonga ny fotoana hitsaràna

ny zanak’olombelona rehetra

ny tsara dia ahazo fiadanana

ny ratsy kosa ho very mandrakizay



ref:

Partager mibebaha

Commenter mibebaha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Volcan