4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Itondray - Voninavoko

Itondray

(hiran’i DadaGaby ao amin’ny tarika Voninavoko,

ary hirain’i Hanta)



Itondray tsikitsiky aho raha ho avy ianao

Tsikitsiky tsy miaro tokelaka

Zay mibitsika tena malefaka

Tsy ho ren’ny tia fisafosa

Fa hanako any anatiko kosa (indroa)



Itondrao safosafo aho e, raha ho avy ianao

Safosafo tsy riton’ny aloka

hifitsahako eo mba hianoka

Tsy ho semban’izay ahiahy

Ampy ho halan’ny fo sy fanahy (indroa)



Itondrao kalokalo aho e raho ho avy ianao

Kalokalo toa rotsy maraina

hongononina fa tsy hohiraina

Toy ny kalon’ny rivotra monja

Raha mikalo fitia amin’ny onja (indroa)



hafatrafatra ny ahy e raha ho avy ianao

rediredin’ny tsy afa-manoatra

Te-haniny no sady misaotra

Te-hionona nefa miangavy

Raha ho avy ianao ka ho avy (indroa).

Partager itondray

Commenter itondray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voninavoko