4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raozy mavokely - Voninavoko

Anakiray monja ’ty voninkazo ity

ka iza no omeko azy e, raozy mavokely

Omeko an’i Fanja tsy manana i Sahondra,

Omeko an’i Farasoa e e! tsy manana i Rahely

Aleo apetrako eto, eto an-tratrako eto

Fa eo angamba no mba vazy e e tena tsara ho azy



Izy io dia tsy amidy fa olona voafidy

Iray fa tsy mba roa, tolorana ny soa

Izy io dia tsy zaraina fa an’olona lalaina

Angamba mbola tsy eo, matoa tsy mbola hitanao an



Fa iza amin’ireo anakitelo ireo

No hotolorako azy io e e mampisalasala

I Fanja dia sariaka Sahondra dia manaitra

I Farasoa tsara bika e e mahalasadala

Jerena i Rahely miendrika anjely

ka sahirana ny maso ô ô valaka ny saina



Iray ’ty voninkazo ka iza no tsy ahazo

aleo tsy ho lazaiko ny miangatra tsy haiko

Fa any aoriana any dia mbola ho hita ihany

’Lay olona voafidy ka hanapaka sy haniry



Izay mahazo an’io izao no tadididio

Fa izy ity dia voninkazo e e tsy ela dia halazo

Halazo sy ho maina kanefa sombiniaina

’Lay voninkazo kely ihany e e maina toy izany

Izao no fantaro f’izaho dia mahatsiaro

Fa hany volana any taona e e mety mbola hihaona



Izay andro izay no hitondrako indray

’lay raozy vaovao hatolotro anao

Izay no fikasana no sady filazana

Ka dia miomana fa ho avy ny korana



Raha sendra ka hitanao ’lay lolo mpikaretsaka (iô, iô, iô, ô, ô, ô....)

Raha sendra ka mbola ao manadala raozy betsaka (X2)(iô, iô, iô, ô, ô, ô....)

Mivilivily ary fa tsy tiako

Raha sendra ka hitanao ’lay tantely mpiasa  (iô, iô, iô, ô, ô, ô....)

Raha sendra ka mbola ao fa mbola tsy lasa (X2) (iô, iô, iô, ô, ô, ô....)

Miolokolona aty mba ho namana



Sendra ka hitanao ’lay lolo ...



Mivilivily ary fa tsy tiako !

Partager raozy mavokely

Commenter raozy mavokely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voninavoko