4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Moa hatraiza no fetra - Willivas



Moa hatraiza re no fetra

’Lay notiaviko mangina?

Hampitony ’zany tsetra

Mamololom-paniriana



Moa hatraiza re ny hira,

Hikaloko anao anaty?

Hiantsoako anao midira,

Mba hitoetra ato anaty



Moa hatraiza re no fetra

’Lay notiaviko mangina?

Hampitony zany tsetra

Mamololom-paniriana



O! Faingana re ry ora

’Zay hitondrako fifaliana

Hivetsoiko moramora

Ilay endrik’olon-tiana



Hivetsoiko moramora

Ilay endrik’olon-tiana



                                                

                                                Tonony sy feony: Lovasoa

Partager moa hatraiza no fetra

Commenter moa hatraiza no fetra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Willivas