4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny soa atao - ZADOO

Vita izay ny ratsy izay nataonao

Avalony any fa ny soa indray atao

Ratsy ataonao dia mivaly aminao

Mieritrereta zay vao manao ny atao



Henoy tsara ary izao no tadidio

Fankam-panahy reseo saina, hivilio

Aiza indray ianao no hahita fianana tsara

Raha manao ny tsara

Tongava saina re fa ndray andro ianao

Ratsy fiafara

Tsy mbola nampianarina anareo ve ry zareo ny manao ny tsara

Sa tsy mbola fantatrareo tokoa

Soa atao mivaly soa



Vita izay ny ratsy nataonao...



Fotoana fohy anie no handalovana ety

Ndao mba hanao ny tsara

Ndeha mba hiaraka hifanasoa dia ho samy ho tsara fiafara

Fa hifampianatra ka ho tantaraina amin\\’ireo dimby sy fara

Aleo mba ho fantatrareo tokoa

Soa atao mivaly soa



Manaova ny soa a

O, ho tsara fiarafa e

Manaova ny soa a

Soa atao mivaly vola



Andao hinamana hifanasoa

Ataontsika ho paradisa tokoa

Ity tontolontsika kely ity e

Isika rehetra hifanaja ety

Partager ny soa atao

Commenter ny soa atao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ZADOO