4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Taitairo - Zopanage

Fa raha resy ianao androany

Araraoty ny ampitso

F’aza mora reraka

Mbola lavitra anie ny dia



Tsy mba  misy ny voahozona

Mba handrotsa-tomany

F’araho  vazo moramora

Dia ho maivana ianao



Fa raha ambony ianao

Noho ny saina sy toetra

Hitangorona aminao

Ny hasambarana rehetra



Fa raha resy  ianao androany

Mbola andro koa ny ampitso

Mbola androa avokoa

Ny fiainanao rehetra



Iezaho hatrany hatrany

Ny ankolafiny rehetra

Fa raha tanterakao izany

Dia ho  tonganao ’lay fetra



Fa raha ambony ianao

Noho ny saina sy toetra

Hitangorona aminao

Ireo sipa manja rehetra



Fa raha ...

Partager taitairo

Commenter taitairo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zopanage