Nb de personnes : | 2 à 4 personnes |
Temps de cuissons : | 35mn |
Temps de préparation : | 35mn |
Difficulté : | Facile |
Type : | Plats |
1 Poulet
Sakamalaho (antonony, araka zay hitiavana azy)
Tongolo gasy ( hasiny 6)
Massalé 2 sotro kely ( amidy any @ grande surface Carrefour na Leclerc)
Sira
Menaka 6 sotro lehibe
Tetehina ny akoho .
Raha tsy tiana ny hodiny dia afaka asorina koa.
Sasana madio tsara avy eo .
Tsihifina tsara ny rano @lay akoho avy nosasana.
Maka plat na bol dia arotsaka ao .
Voasana ny sakamalaho & tongolo gasy dia rapé-na tsara daholo .
Afangaro ny akoho & sakamalaho ,tongolo gasy & sira & massalé dia asiana menaka kely ihany koa rehefa manafangaro azy.
Avela hi macérér tsara mandritra ny 15mn eo .
Maka la poêle jobo na vilany tsotra .
Hafanaina ny menaka ary atao mahamay tsara .
Rehefa mafana tsara ny menaka dia arotsaka ny akoho ary hahena ny afo ,atao afo malefaka mba tsy hampiraikitra lay akoho .
Jerijerena matetika mba tsy hiraikitra , tsy arohana be koa manjary mora potika ny akoho .
Rehefa masaka dia avela hipetraka kely 2mn vao haroso .
Aroso miaraka @ vary & lasary voatabia ,araka zay hitiavana azy
Mazotoa homana !!!