Tompo ô ampaherezo ’zahay
Amin’ny ady hatrehinay ety
Ny herinao irery no iankinanay
Ho mpandresy tokoa izahay
Indraindray anie ’zahay mora kivy tokoa
Raha sendra ka mafy ny manjo (Tompo ô)
Tompo ô aza avela ho irery
Tantanonao sao very ety ny zanakao
Ô ampaherezonao mba tsy hitanondrika
Fa hitraka sy hibanjina (Tompo ô)
Tompo ô aza avela ho irery
Tantanonao sao very ety ny zanakao
Tompo ô ampaherezo ’zahay
Amin’ny ady hatrehinay ety
Ny herinao irery no iankinanay
Ho mpandresy tokoa izahay
AFAFI Taninanandrano