mba ambarao mazava aminay ry Ray
fa mbola misy zavatra tsy takatray
ny tsy hamalianao ireo vavakay
hatramin'izao ka hatramin'izay
fa mbola feno fahotana ve zahay?
ka mbola tsy voavelanao ny helokay
na de  miantso anao osan'andro aza izahay
dia ny omaly tsy miova ny fiainanay
_ tsy ho kivy anie aho miantso anao Ray malala o!
 hiantso Anao foana ity zanak'adala
 efa ela anie aho no mb te hiala
 amin'ny fiainana toa kidaladala
 raha sitrakao re ry Tompo omeo ahy ny hery
 hiatrehako ny ampitso ho avy misitery
 tariho lalana aho mba tsy ho very
 fa malemy sy ontsa feno fery
mba iza moa ry Ray no hitarainako
afa-tsy ianao izay nanao ny fiainako
raha mitady hamolaka ahy ny zava-manjo
Ianao ihany no andry iankinako
hialako tsiny re ry Tompo Aminao
na dia efa kivy tsy te hiaino ahy aza lanao
indro aho ry Tompo raiso fa Adidinao
efa trotraka miangavy, mitalaho
_nangoniko ny heriko tato anaty
 hanazava ny finoako mba tsy ho faty
 efa hatrin'ny ela anie aho no efa nino
fa ny Raiko ambony tsy manadino
 ifonako ny ditra sy ny adalana
 tsy hataoko intsony ny handika lalàna
 indro ny tenako atolotro Anao
 inty aho ry Tompo hirakao
 hirakao
(-)